# Ary Azo atao mazava kokoa ny hevitra izay efa voaray. DH: "Ary lazainareo ihany koa" # tsy misy dikany izany "tsy mila manao izay nianianany hatao izy" na "tsy mila mitazonany voadiny izy'' # fanatitra Biby na voan-java-maniry izay haterin'olona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fametrahana izany eo amin'ny alitaran'Andriamanitra. # voafatotry ny fianianany "voafatotra amin'ny voadiny." Ny hoe tsy maintsy manao izay nolazain'ny olona iray tamin'ny voadiny dia lazaina ho toy ny hoe voafatotra amin'ilay voady izy. DH: "tsy maintsy manao izay nampanantenainy hatao" # olona jamba Jamba ara-panahy ireo mpitarika Jiosy. Na dia nihevi-tena ho mpampianatra aza izy ireo, dia tsy afaka nahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra. # iza no lehibe kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay manao ny fanatitra ho masina? Mampiasa io fanontaniana io i Jesosy mba hananarana ireo Fariseo satria noraisin'izy ireo ho zava-dehibe kokoa noho ny alitara ireo fanatitra. DH: "Ny alitara izay mahatonga ny fanatitra ho masina dia lehibe kokoa noho ny fanatitra!" # ny alitara izay manao ny fanatitra ho masina "ny alitara izay mahatonga ny fanatitra ho hafa mihitsy amin'Andriamanitra.