# fa ankehitriny dia mahita Anao ny masoko Ny mpamaky dia tsy tokony hihevitra io fa tena mahita maso an'i Yaveh ara-bakiteny i Joba. Ny fahitana amin'ny maso dia sarin-tenin'ny fahatakarana. DH: "fa azoko tanteraka ankehitriny." # manamavo ny tenako aho Ny tenan'i Joba dia sarin-tenin'izay nolazainy. DH: "Manamavo izay zavatra nolazaiko aho" # manamavo "miha mankahala" na "tsy faly amin'ny" # mibebaka amin'ny vovoka sy lavenona aho Tsy mazava raha tena nipetraka tao anaty lavenona sy vovoka na nihosina izany marina i Joba. Io dia mety ho sarin-tenin'ny fialan-tsiny noho ny fahotana. DH: "mifona tanteraka ny amin'ny fahotako aho ka ao anaty vovoka sy lavenona no tokony hipetrahako"