# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny : Manohy mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny fahoriana mafin' i Joba ho toy fototry ny fitarainany. # Fa ny zana-tsipìkan'ny Tsitoha dia ato amiko Io dia fanoharana ho ny fahorian'i Joba. Mampitaha ireo lozany amin'ny zana-tsipìka izay manindrona ny vatany. # misotro ny poizina ny fanahiko Mitohy ny fampitahana. Niditra tamin'i Joba tamin'ny fony ny fahoriana. DH: "tena tsapako ao amin'ny foko ny fanaintainana." # ireo fampihorohoroan' Andriamanitra dia milahatra hanohitra ahy DH: "ireo zava-mahatsiravina rehetra mitranga dia avy hanohitra ahy ao anatin'ny indray mandeha." # Maneno fatratra ve ny ampondra-dia raha manana ahitra? Na ny omby hitrena nohon'ny hanoanana raha manam-bilona? Mametraka ireo fanontaniana ireo i Joba mba hanamafisana fa manana ny rariny amin'ny fitarainana izy. DH: "Tokony hitaraina ve aho raha toa ka rariny avoko ny zavatra rehetra?" na "tsy tokony hitaraina tsy amin'antony aho." # maneno feo avoakan'ny amondra # mitrena feo avokan'ny omby # vilona sakafom-biby # Ary izay tsy misy tsiro ve azo hohanina raha tsy misy sira? Na misy tsirony ve ny tapotsin'atody? Na ny sakafo na ny zava-mitranga amin'ny fiainan'i Joba dia manaintaina. Mampitaha ny fiainany amin'ny sakafo tsy misy tsirony na hanitra i Joba. "Tsy misy tsirony ny fiainako; tahaka ny tapotsin'atody tsy misy tsirony izany." # izay tsy misy tsiro ve azo hohanina raha tsy misy sira "tsy afaka hihinana sakafo ratsy tsiro tsy misy sira ny olona iray."