# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny Manova ny resany miala amin'ny fahafatesana mankany amin'ny fahavelomana i Joba aorian'ny fahafatesana. # Any no mitsahatra amin'ny fahoriana ny ratsy fanahy; any no mitsahatra ny reraka Mampiasa fampitoviana i Joba mba hanamafisana fa ireo izay manetry tena dia hahita fitsaharana avy amin'ireo izay nampitondra zava-tsarotra azy. # Any no mitsahatra amin'ny fahoriany ny ratsy fanahy Miresaka momba ny toerana izay handehanan'ny olona aorian'ny fahafatesana i Joba. DH: "Any amin'izany toerana izany, hitsahatra amin'ny fampitondrana fahoriana ny ratsy fanahy" # tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy ireo Ny teny hoe "feo" eto dia fanoharana amin'ny hery izay ananan'ireo mpampiasa manoloana ireo andevo. DH: "Tsy ho eo ambany fifehezan'ireo mpampiasa intsony izy ireo" # ny olona kely sy ny lehibe Io dia sarin-teny izay midika hoe "ny olona rehetre, na ny mahantra nany manan-karena." # ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony Ny mpanompo dia tsy terena hanompo ny tompony intsony.