# Ary Izany andian-teny izany dia manamarika ny fiantombohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia afaka mihevitra ny hampiasa izany eto ianao. # tao aorian'ireo zavatra ireo Izany andian-teny izany dia ilazana ireo tranga niseho tao amin'ny toko 21. # nitsapan'Andriamanitra an'i Abrahama Toa milaza izany fa nitsapa an'i Abrahama Andriamanitra mba hafantatra raha mahatoky eo anatrehany i Abrahama. Ny tena dikan'izany fanambarana izany dia: DH: "nitsapa ny fahatokian'i Abrahama Andriamanitra" # Inty aho "eny, mihaino aho" na "eny, ahoana izay?" # ilay lahy tokanao Toa milaza izany fa mahafantatra Andriamanitra fa manana zanaka lahy hafa i Abrahama, dia Ismaela. Manasongadina izany fa Isaka ilay zanaka lahy izay nampanantenan'Andriamanitra homena an'i Abrahama. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia azo atao hoe: DH: "ny zanakao lahy tokana izay nampanantenaiko" # izay tianao Manasongadina ny fitiavan'Abrahama an'i Isaka, ny zanany lahy izany. # tanin'i Moria "ny tany izay nantsoina hoe Moria" # nanisy lasely ny borikiny "namatratra entana ny borikiny" na "nametraka teo ambonin'ny borikiny izay nilainy amin'ny diany" # tovolahy "mpanompo" (UDB) # "niainga tamin'ny diany" "nanomboka ny diany" na "nanomboka ny dia" (UDB)