# Fampifandraisana ifoto-kevitra Ity no mamarana ny tantara izay nitranga tamin'ny andron'ny Pentekosta. Ny andininy faha 42 dia manokatra fizarana izay manazava ny fomba fiainan'ireo mpino taorian'ny Pentekosta. # nijoroany ho vavolombelona sy nandrisihany azy ireo "Izy dia niteny sy nangataka tamin-pahamatorana azy ireo." Eto ny teny "nijoro vavolombelona" sy "nandrisika" dia mitovy ny hevitra tiany ambara ary manamafy izay nandrisihan'i Petera azy ireo mafy ny amin'ny hamaliana izay noteniny. DH: "Izy dia nandrisika mafy azy ireo" # Vonjeo ny tenanao amin'ity taranaka ratsy fanahy ity Izany dia midika fa Andriamanitra dia hanasazy "ity taranaka ratsy fanahy ity." DH: "Vonjeo ny tenananareo amin'ny fanasaziana izay hijalian'ireo olon-dratsy" # izy ireo nandray ny teniny Eto ny teny "nandray"dia midika fa nanaiky izay nolazain'i Petera fa marina izy ireo. DH: "Nino izay nolazain'i Petera izy ireo. # natao batisa Azo hadika hoe: "nataon'ny olona Batisa izy ireo" # tokony fanahin'olona teo amin'ny telo arivo teo ho eo no nampiana tamin'io andro io Azo hadika koa hoe: "nanodidina ny telo arivo fanahy no nanomjy ireo mpino tamin'izany andro izany" # nanodidina ny telo arivo fanahy eto ny teny "fanahy" dia manambara ireo olona. DH: "nanodidina ny telo arivo olona" # ny fanampahana ny mofo Izany dia midika fa nifampizara sakafo ary nisakafo niaraka izy ireo.