# Hapetraka eo amin'ny tempolin'i Yaveh ny satro-boninahitra DH: "Hametraka satro-boninahitra ao amin'ny tempoliko Aho" # satro-boninahitra Ny teny hoe "satro-boninahitra" dia manondro mpanjaka iray fa manao satro-boninahitra ny mpanjaka. # Hapetraka eo amin'ny tempolin'i Yaveh Io andianteny io dia manondro ny mpanjaka sady mpisorona ihany koa, fa manompo ao an-tempoly ny mpisorona. # Helema, Tobia, sy Jedaia Jereo ny nandikana ireo anarana ireo tao amin'ny 6:9. # ho fahatsiarovana ny hatsaram-panahin'ny zanaka lahin'i Zefania Ireo dikan-teny sasany vaovao dia mandika io andianteny io hoe "ho fahatsiarovana an'i Hena, zanak'i Zefania" na "ho fahatsiarovana ilay tsara fanahy, dia ilay zanaka lahin'i Zefania." Ireo dikan-teny sasany vaovao ihany koa dia mandika ny anarana hoe "Hena" hilazana ny anarana hoe "Josia." # ireo izay lavitra Io dia manondro ireo Israelita izay nijanona tany Babylona. # ka ho fantatrao Ny hoe "-nao" dia manondro ny vahoakan'Israely. # tena mihaino "miheno amin-kitsimpo