# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Maneho fahitana amin'i Zakaria i Yaveh. # Moa tsy forohana nosarihana tamin'ny afo ve ity? DH: "Tahaka ny forohana avy amin'ny afo i Josoa" # forohana nosarihana tamin'ny afo Ny forohana dia tapa-kazo may izay nesorina tao amin'ny afo mialohan'ny hahamay izany tanteraka. Io dia manondro an'i Josoa, izay novonjena avy tamin'ny fahababona tany Babylona ary niverina tany Jerosalema. # fitafiana maloto Amin'io fahitana io ireo akanjo maloto dia nampiasaina mba ho famantarana hanehoana ny fanotana.