# Tamin'ny volana fahavalo Io dia ny volana fahavalo amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny tapany faran'ny Oktobra sy ny tapany voalohan'ny Novambra amin'ny tetiandro Tandrefana. # taona faharoa nanjakan'i Dariosa "taona faharoa izay nanomboka nahalasa mpanjaka an'i Dariosy" # dia tonga...ny tenin'i Yaveh "Niteny ny teniny i Yaveh" # Yaveh Io dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoaka tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny teny amin'ny fandikan-teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany. # Berekia...Ido Ireo dia anaran-dehilahy. # Tezitra fatratra tamin'ireo razambenao "tezitra mafy tamin'ireo razambenao taloha" # Mitodiha Amiko Ny teny "mitodiha" dia nampiasaina mba hanondroana fiovana. Milaza ny vahoaka ny mba hiovan'izy ireo tamin'ny tsy nankatoavany Azy amin'ny fankatoavana Azy i Yaveh. # izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria. # dia hitodika aminareo Aho Amin'ny filazany fa hitodika amin'ny vahoakan'i Israely Izy, dia milaza i Yaveh fa hisy zava-tsoa hitranga amin'izy ireo satria nanampy azy ireo Izy. DH: "Hitahy anareo Aho."