# tamin'ireo loholona sy ny olona rehetra Io dia manondro ny olona rehetra tonga nanatrika ny fivoriana, fa tsy ny olona rehetra eo an-tanàna. # izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Kiliona ary Mahalona Io dia manondro ny tany rehetra sy ny fananan'ny vadin'i Naomy efa maty sy ireo zanany. # teny an-tanan'i Naomy Ny tanan'i Naomy dia maneho an'i Naomy. Izy no tompon'andraikitra tamin'ny fifanakalozam-bola. DH: "avy amin'i Naomy" # mba hahafahako manandratra ny anaran'ilay lehilahy maty mba ho lovany Ny lahimatoa izay naterak'i Rota dia hoheverina ara-dalàna ho zanak'i Mahalona ary handova ny tany izay novidin'i Boaza tamin'i Naomy. DH: "mba homeko zazalahy lahy handova ny fananan'ny maty izy" # ka tsy hiala eo amin'ireo rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'io toerana io ny anarany Ny hoe adino dia lazaina toy ny hoe nasorina tao antin'ny lisitry ny olona izay niaina taloha ny anarany. DH: "mba tsy hohadinoin'ireo taranaky ny rahalahiny sy ny mponina ao amin'ity tanàna ity izy" # vavahadin'ny fonenany Ny vavahadin'ny tanàna dia fandraisana ny fanapahan-kevitra lehibe ara-dalàna, toy ny fanapahan-kevitra momba izay tompon-tany.