# nanandratra ny feony sady nitomany Midika izany fa nitomany mafy na nitomany fatratra izy ireo. # Henoy Ny hoe "henoy" eto dia midika hoe "mandraisa naoty." # Rota nifikitra teo aminy "Nitana azy i Rota." DH: "Nandà ny handao azy i Rota" na "Tsy handao azy i Rota" # ny zaobavinao "ny vadin'ny rahalahin'ny vadinao" na "Orpa" # ireo andriamaniny Mialohan'ny nanambadian'i Orpa sy Rota ny zanaka lahin'i Naomy dia nivavaka tamin'ny andriamanitr'i Moaba izy ireo. Tao anatin'ny fanambadiana, dia nanomboka nivavaka tamin'ny Andriamanitr'i Naomy izy ireo.