# Fa hoy ny Soratra Masina Miresaka ny amin'ny Soratra masina ho toy ny velona ary manam-peo i Paoly. DH: "Fa nosoratan'Isaia tao amin'ny Soratra Masina" # Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy Izany dia mitovy amin'ny hoe: "Izay rehetra tsy mino dia ho menatra." Afaka adika hoe DH: "Hanome voninahitra ireo rehetra izay mino Azy Andriamanitra" # Fa tsy misy fahasamihafana eo amin'ny Jiosy sy Grika Misy hevitra ambadika tia n'i Paoly ambara fa Andriamanitra dia mampitovy ny olona rehetra. Afaka adika mazava koa hoe. DH: "Amin'izany, Andriamanitra dia mampitovy ireo Jiosy sy ireo tsy Jiosy" # ary harem-pahasoavana ho an'izay rehetra miantso Azy Izy Eto ny teny "harem-pahasoavana" dia midika fa Andriamanitra dia manome harem-pitahiana. DH: "ary izy dia manome harem-pitahiana ny rehetra izay mitoky Aminy" # Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no ho vonjena. Eto ny teny hoe "anarana" dia maneho an'i Jesosy. Afaka adika hoe DH: "Ny Tompo hamonjy ny olona rehetra izay mitoky Aminy"