# Fa inona no ambaran'izany? Ny teny hoe "izany" dia milaza ny "fahamarinana" ao amin'ny 10:6. Eto i Paoly dia mamaritra ny "fahamarinana" ho toy ny olona izay afaka miresaka. Mampiasa izany fanontaniana i Paoly mba ho hanisina fanindriana ny valin-teny izay homeny. DH: "Fa izao no lazain'i Mosesy" # Eo akaikinao ny teny Miresaka ny "hafatr'Andriamanitra" ho toy ny olona izay afaka mihetsika i Paoly. DH: "Eto tokoa ny hafatra" # amin'ny vavanao Ny teny hoe "vava" dia teny ilazana ireo izay lazain'ny olona. DH: "ao amin'izay lazainao" # ary ao am-ponao Ny teny hoe "ao am-ponao" dia fomba fiteny izay ilzana izay eritreretin'ny olona sy hinoany. DH: "ary ao amin'izay eritreretinao sy hinoanao" # raha amin'ny vavanao no anekenao an'i Jesosy ho Tompo "rafa manaiky ianao fa Jesosy no Tompo" # mino amin'ny fonao "manaiky fa marina" # Nanangana azy tamin'ny maty Eto izany dia midika fa Andriamanitra no nanangana an'i Jesosy ho velona indray. # dia ho vonjena ianao Afaka adika hoe DH: "dia hamonjy anao Andriamanitra" # Fa amin'ny fo no inoan'ny olona ny fahamarinana, ary amin'ny vava no anekeny ny famonjena Eto ny teny "fo" dia maneho ny saina na sitra-po. DH: "Fa amin'ny saina no atokisan'ny olona ary sy maha-marina azy eo anoloan'Andriamanitra, ary amin'ny vava no haneken'ny olona sy hamonjen'Andriamanitra azy" # amin'ny vava Eto ny "vava" dia maneho ny fahafahan'ny olona miteny.