# Fampifandraisana ny foto-kevitra Eto i Paoly dia miresaka momba ny adidiny hitory. # Tamin'ny fitsanganana tamin'ny maty "Tamin'ny nananganana azy tamin'ny maty" # voambara ho ilay zanaka maherin'Andriamanitra ... Izy Ny teny hoe "izy" dia eto manondro an'Jesosy Kristy. Afaka adika hoe DH: " Andriamanitra nanambara Azy ho Zanaka maherin'Andriamanitra" # zanaka maherin'Andriamanitra Ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty dia manaporofo fa Izy ilay "Zanak'Andriamanitra" taloha sy ankehitriny. Io dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy. # Fanahin'ny fahamasinana Io dia ilazana ny Fanahy Masina. # Nandraisantsika fahasoavana sy ny maha-apostoly Andriamanitra nanome an'i Paoly ny fanomezam-pahasoavana mba ho apostoly. Afaka adika koa hoe DH: " Andriamanitra no nahatonga ahy ho apostoly. Izany dia tombony manokana" # isika Ny teny "isika" dia manondro an'i Paoly sy ireo apostoly izay nanaraka an'i Jesosy, fa manala ireo mpino ao amin'ny fiangonana ao Roma. # Amin'ny fankatoavana ny finoana eo amin'ny firenena rehetra, noho ny Anarany Mampiasa ny teny hoe "anarana" i Paoly mba hilazana an'i Jesosy. DH: "mba hampianatra ny firenena rehetra hankatoa noho ny finoan'ireo Azy"