# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Izany dia fiatombohan'ny fahitana vaovao. Jaona dia manomboka mamaritra ilay mpitaingina ilay soavaly fotsy. # Dia nahita ny lanitra nisokatra aho Izany sarisary izany dia ampiasaina mba hanamarihana ny fiatombohan'ny fahitana vaovao. # Ilay mpitaingina izany Ilay mpitaingina dia i Jesosy. # Amin'ny fahamarinana no hitsarany Eto ny hoe: "fitsarana" dia maneho izay marina. DH: "Izy dia hitsara ny olona rehetra araka izay marina" # Ireo masony dia toy ny lelan'afo Jaona dia miteny ireo mason'ny mpitaingina toy ny hoe mazava tahaka ny lelan'afo. # Manana anarana voasoratra eo aminy Afaka atao hoe: "Nisy olona iray nanoratra anarana teo aminy" # izay tsy misy mahafantatra afa-tsy izy ihany "Izy irery ihany no mahafantatra ny dikan'ilay anarana" # Miakanjo akanjolava izay natsoboka tao amin'ny rà Afaka ataonao hoe: DH: "Feno rà ny akanjo lavany" # ny anarany dia nantsoina hoe ny Tenin'Andriamanitra Afaka ataonao hoe: DH: "ny anarany ihany koa dia ny Tenin'Andriamanitra"