# ny lavaka tsy hita noanoa Lavaka lalina sy tery. Ireo mety ho dikany 1) ny lava-drano dia tsy misy fiafarana; fa miha-midina lalina mandrakizay na 2) lalina tokoa ny lava-drano toy ny hoe tsy misy fiafarana izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 9:10. # Avy eo dia hankany amin'ny fahasimbana izany Ny anarana hoe: "fahasimbana" dia afaka atao matoanteny. DH: "Avy eo dia ho simba izany" na "Avy eo Andriamanitra dia hanimba izany" # hankany amin'ny fahasimbana izany Ny fahatokisana amin'izay hitranga any aoriana any dia resahina toy ny hoe ilay bibi-dia dia hankany amin'izany. # ireo izay tsy voasoratra ny anarany Afaka atao hoe: "ireo izay tsy voasoratr'Andriamanitra ny anaran'izy ireo" # hatramin'ny namoronana an'izao tontolo izao "talohan'ny namoronan'Andriamanitra an'izao tontolo izao"