# Nihira hira vaovao ... izy ireo "Ireo olona 144,000 nihira hira vao." Ity dia manazava ny feo izay ren'i Jaona. DH: "Izany feo izany dia hira vao izay nohirain'izy ireo" # loholona Izany dia maneho an'ireo loholona efatra amby roapolo manodidina ny seza fiandrianana. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 4:4. # tsy nandoto ny tenan'izy ireo tamim-behivavy Ireo mety ho dikany: 1) "tsy mbola nijangajanga tamin'ny vehivavy mihitsy" na "tsy mbola niray tamin'ny vehivavy mihitsy." Ny mandoto ny tena amin'ny vehivavy dia mety ho marika fanompoan-tsampy. # nihazona ny tenany madio ara-nofo izy ireo Ireo mety ho dikany: 1) "tsy niray tamin'ny vehivavy izay tsy vadiny izy ireo" na 2) "virjiny izy ireo." # manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza alehany Ny manao izay ataon'ny Zanak'ondry dia resahina toy ny hoe manaraka azy. DH: "manao izay rehetra ataon'ny Zanak'ondry izy ireo" na "mankato ny Zanak'ondry izy ireo" # Tsy nisy lainga hita teo amin'ny molotr'izy ireo Ny "molotr'izy ireo" dia maneho izay lazain'izy ireo. DH: "Tsy mandainga mihitsy izy ireo rehefa miteny"