# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ny loholona dia manohy miresaka amin'i Jaona. # izy ireo ... amin'izy ireo ... azy ireo Ireo rehetra ireo dia maneho ny olona izay tonga tamin'ny Fahoriana Lehibe. # andro aman'alina Ireo andro roa ireo dia ampiasaina miaraka mba hidika hoe: "isan'andro isan'andro" na "tsy misy fitsaharana" # hamelatra ny lainy amin'izy ireo Ny fiarovana azy ireo eto dia resahina toy ny hoe nomeny fialofana izy ireo. DH: "hampialoka azy ireo" na "hiaro azy ireo" # Tsy hamely azy ny masoandro Ny hafanan'ny masoandro dia ampitahaina amin'ny hoe fanasaziana izay hampijaly ny olona. DH: "Tsy handoro azy ireo ny masoandro" na "Tsy hampalemy azy ireo ny masoandro" # ny Zanak'ondry eo afovoan'ny seza fiandrianana "ny Zanak'ondry, izay mitsangana eo afovoan'ny faritra manodidina ny seza fiandrianana" na "Ny Zanak'Ondry izay eo amin'ny seza fiandrianana" # Fa ny Zanak'ondry ... no ho mpiandry azy ireo Ny loholona dia miresaka momba ny fikarakaran'ny Zanak'Ondry ny olony toy ny hoe fikarakaran'ny mpiandry ondry ny ondriny. DH: "Fa ny Zanak'Ondry ... hikarakara azy ireo toy ny mpiandry ondry mikarakara ny ondriny" # hitari-dalana azy ireo any amin'ny loharanon'ny rano velona Ny loholona dia miresaka hoe inona no manome fiainana toy ny hoe loharanon'ny rano velona. DH: "hitari-dalana azy ireo tahaka ny mpiandry ondry mitarika ny ondriny ho any amin'ny rano velona izy" na "hitarika azy ireo ho any amin'ny fiainana tahaka ny mpiandry ondry mitarika ny ondriny ho any amin'ny rano velona izy" # hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo Ny ranomaso eto dia maneho alahelo. DH: "Andriamanitra dia hamafa ny alahelon'izy ireo, tahaka ny famafana ranomaso" na "Andriamanitra hanao azy ireo tsy malahelo intsony"