# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Jaona dia manohy ny famaritana ireo tranga izay niseho talohan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Manomboka manokatra ireo tombo-kasen'ny horonan-taratasy ny Zanak'Ondry. # Avia! Baiko iray ho an'ny olona iray izany, mety hoe ilay mpitaingin-tsoavaly fotsy izay resahina ao amin'ny andininy faha-2 izany. # nomena satro-boninahitra izy Tahaka ny fehiloha vita amin'ny sampan'oliva na ravin-javatra, notefena tamin'ny volamena. Ny satro-boninahitra tahaka izany, vita tamin'ny ravina, dia nomena ireo atleta mpandresy mba hatao eo amin'ny lohan'izy ireo. DH: "nandray satro-boninahitra Izy" na "Andriamanitra nanome satro-boninahitra Azy" # satro-boninahitra Fehiloha vita amin'ny sampan'oliva na ravin-javatra tahaka ny fehiloha raisin'ireo atleta mpandresy tamin'ny andron'i Jaona.