# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ity no fiafaran'ny hafatry ny Zanak'Olona amin'ireo anjelin'ny fiangonana fito. # Ilay iray izay mandresy Izany dia maneho an'izay rehetra mandresy. DH: "izay rehetra mahatohitra ny ratsy" na "ireo izay tsy miray hevitra amin'ny ratsy" # nipetrahako niaraka tamin'ny Raiko teo amin'ny seza fiandrianany. Ny mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana dia midika hoe manapaka. DH: "hanapaka hiaraka amiko" na "mipetraka eo ambony seza fiandrianana ary manapaka miaraka amiko" # ny Raiko Fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra izay mamaritra ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra sy Jesosy. # Aoka izay manan-tsofina hihaino Ny fahafahana mihaino dia resahina toy ny hoe manan-tsofina. DH: "Raha manan-tsofina ianao, dia mihainoa"