# nianjera teo amin'ny tongony Jaona dia nianjera nihohoka tamin'ny tany. Mety ho natahotra mafy izy ka nampiseho fanajana lehibe tamin'i Jesosy. # Nanendry ahy tamin'ny tanany ankavanana Izy "Nikasika ahy tamin'ny tanany ankavanana Izy" # Izaho no voalohany sy farany Izany dia maneho ny maha-izy Azy an'i Jesosy. # Izaho manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny Fiainan-tsy hita Ny fananana fahefana amin'ny zavatra iray dia antsoina hoe fananana ny fanalahidin'izany. Izany hoe afaka manome aina an'ireo izay efa maty ary mamoaka azy ireo ao amin'ny Fiainan-tsy hita Izy. DH: "Manana ny fahefana amin'ny fahafatesana sy ny Fiainan-tsy hita Aho" na "Manana fahefana hanome aina an'ireo olona izay efa maty ary mamoaka azy ireo ao amin'ny fianan-tsy hita Aho"