# Ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry— fotsy tahaka ny rano mandry Ny volon'ondry sy ny rano mandry dia ohatra amin'ireo zavatra izay tena fotsy. Ny famerenana ny hoe: "fotsy tahaka" dia manamafy fa tena fotsy izy ireo. # ny masony tahaka ny lelafo Ny masony dia mamaritra hoe feno hazavana tahaka ny lelan'afo. DH: "ireo masony dia namiratra tahaka ny lelan'afo" # Ny tongony mangirana tahaka ny varahina Ny varahina dia nofotsiana mba hanjelatra sy hitaratra hazavana. DH: "Ireo tongony dia tena nangirana toy ny varahina nofotsiana" # toy ny varahina voadio teo amin'ny lafaoro Ny varahina dia diovina aloha ary avy eo atao mangirana. DH: "tahaka ny varahina voadio tao anaty lafaoro sy natao mangirana" # lafaoro fatana hitazonana hafanana be. Ny olona dia mametraka vy ao anatiny, ary ny afo tena mamay dia handoro ny fahalotoana eo amin'ilay vy. # feona rano be mikoriana Mafy tahaka ny feon-drenirano lehibe mikoriana mafy, loharano, na onjan-dranomasina mafy. # sabatra roa lela maranitra maranitra amin'ny sisiny roa mba samy hanapaka amin'ny ilany roa.