# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity dia fampidirana amin'ny bokin'ny Apokalypsy. Izany dia manazava fa io dia fanambarana avy amin'i Jesosy Kristy ary manome fitahiana an'ireo izay mamaky izany. # ireo mpanompony Izany dia maneho ireo olona izay mino an'i Kristy. # tsy maintsy hitranga "ireo tranga izay tsy maintsy hitranga tsy ho ela" # Nampahafantariny izany "nampitainy izany" # ho an'i Jaona mpanompony Jaona no nanoratra ity boky ity ary maneho ny tenany ato. DH: "ho ahy, Jaona, ilay mpanompony" # ny tenin'Andriamanitra Eto izany dia maneho ireo hafatra izay nomen'Andriamanitra an'i Jaona. # izy izay mamaky amin'ny feo avo Tsy mamaritra olon-tokana akory izany. Fa maneho an'izay rehetra mamaky izany mafy. DH: "izay rehetra mamaky amin'ny feo avo" # mitandrina izay voasoratra ao aminy "mino izay voasoratra ao anatiny ary mankato ireo didy ao anatiny" # efa akaiky ny fotoana "ireo zavatra izay tsy maintsy hiseho dia hiseho tsy ho ela"