# Yaveh o, inona izay olona no hitsinjovanao azy na ny zanak'olona no hiheveranao azy? Ireo fanontaniana ireo dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Kely loatra ny olona ampitahaina amin'izay hafa rehetra nataonao ka dia taitra aho ny amin'ny hitsinjovanao ny olona ary ny hiheveranao ny zanak'olona" # olona ... zanak'olona Teny roa hilazana an'ny olombelona. # Toy ny fofonaina ... tahaka ny aloka mandalo Ny mpanoratra mampitaha ny olombelona amin'ireo zavatra ireo mba hanamafisana ny hafohin'ny fiainan'izy ireo.