# Fampifandraisana fotokevitra: Andriamanitra manohy miteny momba ny tanĂ nan'i Ziona tahaka ny vehivavy. # Ho tahiako amin'ny famatsiana maro dia maro izy "hanome fitahiam-be ho an'i Ziona" # Homeko fahafam-po amin'ny mofo ny mahantrany Eto ny "mahantra" dia manondro an'ireo vahoaka mahantra any Ziona. Eto ny "mofo" dia mety ho maneho sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "hahafapo ny vahoaka mahatran'i Ziona amin'ny sakafo" # Hampiankanjoko famonjena ireo mpisorony Ny famonjena dia lazaina toy ny hoe fitafiana. Ireo mety ho heviny dia 1) "Izaho hahatonga ireo mpisorona hitondra tena araka ny fomban'ireo olo-mendrika navotako" (UDB) na 2) "Izaho hanavotra ireo mpisorony"