# LAMEDA Ity no anaran'ny litera faharoa ambin'ny folo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 89-96 dia manomboka amin'ity litera ity. # mitoetra mandrakizay ny teninao Eto ny "teny" dia maneho izay rehetra nampitain'Andriamanitra tamin'ny vahoaka. DH: "izay voalazanao dia ho marina mandrakizay" # mafy orina any an-danitra ny teninao Eto ny "teny" dia maneho izay rehetra nampitain'Andriamanitra tamin'ny vahoaka. Izany dia miteny momba izay nolazain'Andriamanitra toy ny hoe zavatra izay mafy orina sy mahitsy tsara. DH: "izay nolazainao dia ho marina any an-danitra mandrakizay" # ho an'ny taranaka rehetra "ho an'ny taranaka hoavy rehetra." Izany dia fomba fiteny izay midika fa "mandrakizay."