# JODA Ity no anaran'ny litera fahafolo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 73-80 dia manomboka amin'ity litera ity. # Ny tananao no nanao sy namolavola ahy Andriamanitra nahary olona iray dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra nampiasa ny tanany hamolavolana ilay olona amin'ny fomba mety hamolavolan'ny olona ny tanimanga ho zavatra. # Ny tananao Eto ny "tanana" dia maneho ny fahefana na fihetsik'Andriamanitra. # satria amin'ny teninao no ahitako fanantenana Eto ny "teny" dia maneho izay lazain'Andriamanitra. DH: "satria aho matoky izay lazainao" na "mino amim-pahatokiana izay lazainao aho"