# Tariho amin'ny lalan'ny didinao aho "Tariho aho araka ny didinao" na "Ampianaro aho hankatò ny didinao." Ny didin'Andriamanitra dia ampitahaina amin'ny lalana izay diavin'olona iray amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra. # Ampizory amin'ny didim-panekenao ny foko Ity dia fomba fiteny. Ny "fo" eto dia manondro ny sitrapo, faniriana, sy safidy izay mitarika ny fiainan'olona iray. DH: "Ataovy tia ny didim-panekenao aho" # ny didim-panekenao "mba hankatò ny didim-panekenao." Izany dia manondro ny fankatoavana ny Lalàn'i Mosesy. # harena tsy marina "ny faniriana harena." Izany dia manondro harena azo tamin'ny fomba tsy ara-dalàna na tsy rariny tamin'ny hafa.