# GIMELA Ity no anaran'ny litera fahatelo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 17 - 24 dia manomboka amin'ity litera ity. # ny mpanomponao Ny mpanoratra niantso ny tenany "ny mpanomponao" mba hampisehoana fanetren-tena. # Sokafy ny masoko mba hahitako Ny mpanoratra miteny ny fahazoana fahazavan-tsaina, fahalalana ary fahendrena ho toy ny afaka mahita. DH: "Ampio aho hahatakatra" # ireo zava-mahatalanjona amin'ny lalànao Ny mpanoratra miteny ny fahalalinan-tsaina amin'ny lalàna toy ny zavatra mahatalanjona. # amin'ny lalànao "amin'ny fitsipikao" na " amin'ny didinao"