# hahita izany "hahita fa mandeha tsara ny zava-drehetra ho an'ny olonba masina." Ny teny "izany" dia manondro ny zava-tsoa rehetra izay nofaritan'ny mpanoratra tany amin'ireo andininy teo aloha momba ny olona masina. # hihidy vazana izy Ny fanidiana vazana dia fihetsika fandavana. Jereo izay nandikanao ny andianteny mitovy ao amin'ny 35:15. # hiempo Ny mpanoratra miteny ny fahatesana tampoka mahazo ny olona ratsy fanahy toy ny hoe zavatra tahaka ny lagilasy izay mety miempo izany olona izany. DH: "hofaty tampoka" # ho faty ny fanirian'ny olona ratsy fanahy Ireo mety ho hevitry ny "faniriana" dia 1) ny faniriana anaty izay ananan'ny olona ratsy fanahy. DH: "tsy hitranga mihitsy ireo zavatra izay tian'ny olona ratsy fanahy hatao" na 2) izany dia sarinteny ho an'ireo zavatra izay efa nirian'ny olona ratsy fanahy foana. DH: "ho very eny amin'ny olona ratsy fanahy ireo zavatra izay nirian'izy ireo"