# Nentiny nivoaka niaraka tamin'ny volamena sy volafotsy ny Israelita Rehefa nandao an'i Egypta ny Israelita dia naka volafotsy sy volamena ho azy izy ireo. DH: "Nitondra ny Israelita nivoaka an'i Egypta niaraka tamin'ny volafotsy sy volamena ho fananany Izy" # tsy nisy tamin'ireo fokony tafintohina teny an-dalana Tsy nisy tavela. DH: "afaka nanao dia lavitra avokoa ny fokony rehetra" # Ravoravo Egypta Eto ny "Egypta" dia manondro an''ireo vahoaka izay monina any Egypta. DH: "Ravoravo ny vahoakan'i Egypta" # Nampiely ny rahona ho firakotra Izy Eto ny mpanao salamo dia mamaritra an'i Yaveh mametraka rahona eny amin'ny habakabaka toy ny hoe Izy namelatra lamba. Ny rahona dia "firakotra" niaro azy ireo tamin'ny masoandro. DH: "Nametraka rahona teny amin'ny habakabaka Izy mba hiarovana azy ireo amin'ny masoandro sy ny hafanana" # nanao afo hampazava ny alina Yaveh nametraka andry afo teny amin'ny habakabaka mba hanomezana hazavana nandritra ny alina. DH: "nametraka afo teny amin'ny habakabaka mba hanazava ny alina"