# Mihinana lavenona tahaka ny mihina-mofo aho Davida nipetraka tanaty lavenona mba ho fihetsika fisaonana, noho izany ny lavenona dia mety nilatsaka tanatin'ny sakafony. DH: "Satria misaona aho, dia milatsaka amin'ny mofo haniko ny lavenona" # ary mampifangaro ny zava-pisotroko amin'ny ranomaso Davida akory tsy hoe ninia nampifangaro ranomaso ny zava-pisotrony; fa kosa nilatsaka tao anaty kapoakany ny ranomasony raha nisaona sy nitomany izy. DH: "ary nilatsaka tanaty kapoaka ho sotroiko ny ranomasoko" # nanainganao ahy mba handavoana ahy Andriamanitra akory tsy tena hoe nanainga sy nandavo ny vatan'i Davida tamin'ny tany; fa kosa Davida miteny izany mba hamaritana izay tsapany sy niainany. DH: "toy ny hoe nanainga ahy Ianao mba handavoana ahy"