# ratsy "ny zava-drehetra izay ratsy" # fihetsika mieboebo sy toe-tsaina miavonavona Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny maha mpirehareha ny olona toy izany. # Hijery ny mahatoky amin'ny tany aho mba hipetraka eo anilako Izany dia midika fa Davida hamela an'ireny olona ireny ho hanakaiky azy sy hiara-honina aminy. DH: "Hamela ny mahatoky amin'ny tany aho hiara-monina amiko" # ny mahatoky Izany dia manondro ny olona izay mahatoky amin'Andriamanitra. DH: "ny olo-mahatoky" # mandeha amin'ny lala-marina Eto Davida dia miteny momba ny "miaina" toy ny hoe "mandeha." DH: "miaina amin'ny lalana marina sy mahitsy" na "miaina amin'ny fiainana feno fahitsiana"