# Yaveh no efa tilikamboko avo Eto ny "tilikambo" dia sarinteny ho an'ny fiarovana. DH: "Yaveh no efa niaro ahy tamin'ireo fahavaloko" # vatolampy fialofako ny Andriamanitro Ny mpanao salamo miteny ny fananana an'Andriamanitra hiaro azy toy ny hoe toerana azo antoka izay ahafahan'ny mpanao salamo ho voaaro Andriamanitra. Jereo ao min'ny 62:7 ny nandikana ny "vatolampy" sy "fialofana." DH: "Efa nangataka tamin'Andriamanitra aho hiaro ahy, ary dia niaro ahy tamin'ny heriny Izy" # Hampitondra azy ireo ihany ny helony Ireo mety ho heviny dia 1) "hanatanteraka amin'izy ireo ny zava-dratsy nataony tamin'ny hafa" na 2) "hanafay azy ireo noho ny zava-dratsy rehetra nataony tamin'ny hafa" # hamongotra azy ireo Izany dia fomba fiteny midika hoe "hamono azy ireo." # amin'ny faharatsiany ihany Ireo mety ho heviny dia 1) "raha mbola manao zava-dratsy izy ireo" na 2) "satria nahavita zava-dratsy izy ireo."