# Avy miha-mahery am-pandehanana izy ireo Ity no fomba fiteny ilazana fa miha matanjaka izy ireo. # Avy izy ireo Eto ny "izy ireo" dia manondro an'ireo izay maniry fatratra hankany an-tempoly hanompo an'Andriamanitra. # Sela Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 3:1. # Andriamanitra o, ambeno ny ampinganay Ny mpanjaka izay miaro ny vahoakany dia lazaina toy ny hoe izy no ampinga. DH: "Andriamanitra o, miambena ny mpanjakanay" # Fa ny andro iray ao an-kianjanao dia lehibe mihoatra ny arivo any an-kafa "Aleoko ao an-kianjanao iray andro toy izay any an-kafa arivo andro" # arivo "1.000" # mpiandry varavarana "mpiambina varavarana" na "mijoro eo am-baravarana" # ny ratsy fanahy Ity mpamaritra anarana ity dia azo adika ho mpamaritoetra. DH: "olona ratsy fanahy" na "ireo izay ratsy fanahy"