# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Ho an'ny mpiventy hira "Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana" Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 4:1 # atao amin'ny endrika Al-shoshanim-edoth Mety ho manondro karazana mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 45:1. # Salamo nataon'i Asafa "Ity dia salamo nosoratan'i Asafa." Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 50:1. # mpiandry ny Israely Asafa manondro an'Andriamanitra toa ilay mitarika sy miaro an'Israely. # Ianao izay mitarika an'i Josefa ho toy ny ondry aman'osy "Ianao izay mitarika ny taranak'i Josefa toy ny ondry aman'osy" # Josefa Eto Josefa maneho ny firenen'Israely. # Ianao izay mipetraka eo ambonin'ny Kerobima Ny takotra na saron'ny fiaran'ny fanekena ao an-tempoly, dia mariky ny seza fiandrianana izay nanapahan'Andriamanitra an'Israely, dia nisy kerobima volamena naraikitra taminy, samy nisy ny andaniny roa, ary nifampitodika. # mamirapirata aty aminay Asafa miteny an'Andriamanitra toy ny hoe masoandro, manome hazavana, izay sarinteny ho an'ny fahatsarana ara-moraly. DH: "manomeza hazavana aty aminay" na "asehoy anay ny lala-marina mba hiainanay" # ampiharo ny fahefanao Ny teny "ampiharo" midika "manaova asa." # ampamirapirato aminay ny tavanao Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh miasa amim-pankasitrahana amin'izy ireo toy ny hoe namirapiratra taminy ny tavan'i Yaveh. DH: "miasà amim-pankasitrahana aminay"