# Ianao Ny teny hoe "Ianao" dia manondro an'i Yaveh. # ny nofon-tany voaasa "ny nofon-tany voavadika" # nofon-tany voaasa Ny nofon-tany voaasa dia tany efa voaravona izay nozarazaraina ho an'ny fambolena voa na fanondrahana ny tany izay efa nambolena voa. # moron(a) sisiny (sisin'ny tany) # Satrohanao ny fahatsaranao ny taona Eto ny hoe "taona" dia nomena aina toy ny olona afaka manao satroka. DH: "Nanome voninahitra ny taona tamin'ny famokarana tsara Ianao" # mitete fahatavizana amin'ny tany Ny teny hoe "fahatavizana" dia midika hoe fahavokarana na fahatsarana. Araka ny eto amin'ity andian-teny ity, izany dia maneho fa nataon'Andriamanitra tsara sy mahavokatra ny nofon-tany mba hahazoana vokatra be dia be. # Ny ahitra ... mitete ando, ary Be dia be ny ando eo amin'ny ahitra ka mitete izany. DH: "Ny ahitra ... feno ando" na "Be dia be ny ando mitete amin'ny amin'ny ahitry ny tany efitra" # ireo havoana voatafy fifaliana Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona mahafinaritra ny hatsaran'ireo havoana, ary ny fifaliana toy ny hoe fitafiana. DH: "tahaka ny vahoaka mitafy fifaliana ireo havoana" na "tahaka vahoaka ravoravo ireo havoana"