# Hanalava ... taranaka mifandimby ny taonany Mitovy ny hevitr'ireo fehezanteny roa ireo. Miverina indroa izany mba hisongadina. # Hanalava ny andro iainan'ny mpanjaka Ianao "Hampitombo ny andro iainan'ny mpanjaka Ianao" na "Hampateza ny andro iainan'ny mpanjaka Ianao" # ho tahaka ny taranaka maro mifandimby ny taonany Eto ny hoe "taona" dia ilazana ny fe-potoana hiainan'ny mpanjaka. DH: "hiaina mandritra ny fotoana lava izy" # Hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy Eto ny hoe "mitoetra eo anatrehan'Andriamanitra" dia midika hoe eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra na miaraka amin'Andriamanitra. DH: "Homba azy mandrakizay Andriamanitra" na "Homba ny mpanjaka mandrakizay Andriamanitra"