# Noho ny fahotan'ny vavan'izy ireo sy ny tenin'ny molotr'izy ireo Ny vava sy ny molotra dia ilazana zavatra izay lazain'ny vahoaka. DH: "Satria nanota tamin'izay nolazainy izy ireo" na "nohon'ny zavatra feno fahotana izay nolazain'izy ireo" # aoka ho voasambotra ao amin'ny fireharehany izy ireo Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "aoka hisambotra azy ireo ny vahoaka nohon'ny fieboebony" # anehoan'izy ireo hevitra "no itenenan'izy ireo" # Levony amin'ny fahatezeranao izy ireo, levony izy ireo mba tsy hisy intsony Ny fandravana azy ireo tanteraka dia lazaina toy ny hoe mandoro azy ireo na mihinana azy ireo. DH: "Tezera amin'izy ireo ka ravao tanteraka izy ireo mba tsy hisy hiangana" # ao amin'i Jakoba Jakoba eto dia ilazana an'i Israely. DH: "ao Israely" # hatrany amin'ny faran'ny tany "eny hatrany amin'ny toerana lavitra indrindra amin'ny tany." Izany dia manondro ny toerana rehetra eto an-tany. DH: "na aiza na aiza eto ambonin'ny tany"