# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Ho an'ny mpiventy hira "Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana" # atao Al-Jonath-elem-rehokim Ity dia mety ho milaza izay karazana mozika na feon-kira ampiasaina rehefa mihiry ity salamo ity. DH: "Hirao amin'ny fampiasana ny feo 'Al-Jonath-elem-rehokim' ity salamo ity" na "Hirao amin'ny fampiasana ny endrika Al-Jonath-elem-rehokim ity" # Al-Jonath-elem-rehokim Izany dia midika "Domoina any amin'ny Hazo Terebinta Lavitra." Na manoratra ny dikany ny mpandika teny na mandika ireo teny Hebreo. # Salamo nataon'i Davida Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida. # Miktama Ny dikan'ny teny hoe "miktama" dia tsy voafaritra mazava. Azonao ampiasaina ho solony ny teny "salamo." Azo soratana izany hoe: "Salamo nosoratan'i Davida." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 16:1. # tamin'ny nakàn'ireo Filistina azy tany Gata "tamin'ny nisamboran'ireo Filisitina azy tany Gata" # manery mafy ny fanafihany "manatona akaiky dia akaiky mba hamelezana ahy" # Manitsaka ahy ireo fahavaloko Ny fahasiahan'ny fanafihan'ireo fahavalo dia lazaina toy ny hoe izy ireo manorotoro ny vatany amin'ny fanitsakitsahana izany. DH: "Mamely mafy dia mafy ahy ireo fahavaloko"