# raha izany dia mba afaka niharitra ihany aho Ny fandeferana na fiharetana fitenenana mafy dia lazaina toy ny hoe mitondra na milanja izany. DH: "mba afaka nandefitra ny teny mafy aho" na "tsy mba ho nalahelo mafy ny amin'ny fitenenana mafy aho" # nitsangana hanohitra ahy Ny mirehareha amin'ny tena ka manamavo ny hafa dia lazaina toy ny hoe mitsangana hanohitra ny hafa. DH: "nanamavo ahy" na "nanao tsinontsinona ahy" # Fa ianao indrindra Ny mpanao salamo miteny tahaka ny hoe mihaino azy ilay olona niteny mafy sy niteny ratsy azy. # namako sy sakaizako indrindra Azo ambara amin'ny alalan'ny fehezanteny izany. DH: "Ianao no namako sy sakaizako indrindra." # isika Ny teny hoe "isika" dia manondro ny mpanao salamo sy ny sakaizany. # niaraka tamin'ny olon-drehetra Ireo mety ho heviny dia 1) "miaraka" na 2) "miaraka amin'ny olona rehetra"