# Enga anie ny famonjena an'Israely Ny teny hoe "enga anie" dia manolotra fanairana izay maneho fanantenana na vavaka. DH: "Mantena aho fa ho tonga ny famonjena an'Israely" na "Mivavaka aho mba ho tonga ny famonjena an'Israely" # ny famonjena an'Israely ho tonga any Ziona Ny famonjena dia maneho an'Andriamanitra, ilay mpanavotra, izay any Ziona ny tempoliny. DH: "ilay mpanavotra an'Israely no ho tonga avy any Ziona" na "Andriamanitra ho tonga avy any Ziona ka hanavotra an'Israely" # Rehefa entin'Andriamanitra miverina avy amin'ny fahababoana ny olony "Rehefa manavotra ireo olony nobaboina Andriamanitra" # ho ravoravo Jakoba ary ho faly Israely! Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. # Jakoba Eto "Jakoba" dia maneho ireo taranak'i Jakoba, dia ny Israelita.