# tamin'ny alalan'ny sabatr'izy ireo ihany Ny teny hoe "sabatra" dia manondro ny fahefana miaramila. DH: "tamin'ny alalan'ny fiadiana amin'ny sabany ihany" na "tamin'ny alalan'ny herin'ny tafiny ihany" # ny sandrin'izy ireo manokana Eto ny teny hoe "sandry" dia manondro ny hery. DH: "ny heriny manokana" # sy ny fahazavan'ny tavanao Mety hanampy matoanteny ianao amin'ity andianteny ity. DH: "ary ny fahazavan'ny tavanao hahazo ny tany ho fananany" # ny tanan-kavananao, ny sandrinao Eto ny teny hoe "tanana" sy "sandry" dia manondro ny fahefan'Andriamanitra. Raha akambana, dia manamafy ny fahalehibiazan'ny fahefan'Andriamanitra ireo. DH: "ny fahefanao lehibe" # ny fahazavan'ny tavanao Ny mpanoratra milaza an'i Yaveh mijery azy ireo amim-pankasitrahana ary maha tso-po amin'izy ireo toy ny hoe mamirapiratra amin'izy ireo ny tavan'i Yaveh. DH: "ny hatsaram-ponao" na "ny sitraka tsara avy aminao" # fandresena ho an'i Jakoba Ny vahoakan'Israely dia voatondro amin'ny anaran'i "Jakoba" razamben'izy ireo