# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Ho an'ny mpiventy hira "Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana" # Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora "Ity dia salamo izay nosoratan'ireo zanaka lahin'i Kora" # Maskila Mety ho manondro fomba ara-mozikaly izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 32:1 # Renay tamin'ny sofinay, Andriamanitra o Ny teny hoe "re" dia manampy fanamafisana ny fanambarana izay efa ren'izy ireo ary mahazo ireo zavatra izay hofaritan'ny mpanoratra. Ny mpanoratra milaza io fanambarana io ho an'Andriamanitra. DH: "Andriamanitra o, renay mazava" # tamin'ny andron'izy ireo, tamin'ny andro taloha Ireo andianteny roa ireo dia mampiasa ny teny hoe "andro" mba hanondroana ny fotoana fony mbola velona ireo razamben'ny vahoakan'Israely. # Noroahanao ireo firenena "Noterenao hiala ireo vahoakan'ny firenen-kafa" # tamin'ny tananao Eto ny teny hoe "tanana" dia manondro ny fahefan'Andriamanitra. DH: "tamin'ny fahefanao" # nambolenao kosa ny vahoakanay Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra manao ny Israelita honina ao amin'ny tany toy ny hoe Izy namboly azy ireo amin'ny tany tahaka ny ataony amin'ny hazo. DH: "Nanao ny vahoakanay honina any Ianao"