# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Ho an'ny mpiventy hira "Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana" # Salamo nataon'i Davida Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida. # izy ... azy ... azy Ireo teny ireo dia manondro ny olona izay manahy ny amin'ny osa. # ny osa "olona osa" na "olona mahantra" # Hanohana azy eo amin'ny fandrian'ny fijaliana Yaveh Ny andianteny hoe "ny fandrian'ny fijaliana" dia manondro olona mandry eo am-pandriana satria marary. DH: "Rehefa marary sy eo am-pandriana izy, dia Yaveh no hanohana azy" # hanao ny fandrian'ny aretina ho fandrian'ny fanasitranana Ianao. Ny andianteny hoe "fandrian'ny fanasitranana" dia manondro olona mitsahatra eo am-pandriana sy sitrana amin'ny aretiny. DH: "Ianao, Yaveh o, no hanasitrana azy amin'ny aretiny"