# ireo fahoriana izay tsy tambo isaina Eto ny fahoriana dia lazaina toy ny hoe zavatra izay mihodidina sy hisambotra ny mpilaza. DH: "misy fahoriana maro kokoa mihoatra izay voaisako manodidina ahy" na "fahoriana maro kokoa no tonga amiko mihoatra izay voaisako" # izay tsy tambo isaina Ity dia natao amin'ny endrika mihiba mba hanamaroana ny isa. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 40:5. DH: "izay lehibe amin'ny isa" # ireo heloko Ity dia manondro ny vokatry ny otany. DH: "ireo vokatry ny heloko" # nahatratra ahy Ireo heloky ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe fahavalo izay mamely azy. # tsy afa-mahita na inona na inona intsony aho Ny dika-teny dia samihafa araka ny fahatakarana ity andalana izay sarotra ity. Mety milaza izany fa mitomany loatra ny mpanoratra ka tsy afaka mahita na inona na inona noho ny ranomasony. # ketraka ny foko Eto ny "fo" dia manondro ny toky ao anatiny. DH: "Kivy tanteraka aho" (UDB)