# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Ho an'ny mpiventy hira "Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana" # Jedotona Nanana anarana mitovy amin'izany ny iray amin'ireo mpiventy hiran'i Davida. Izany dia mety manondro azy. # Salamo nataon'i Davida Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida. # Hitandrina izay lazaiko aho "Hitandrina izay zavatra lazaiko aho" # mba tsy hanotako amin'ny lelako Eto ny "lela" dia manondro ny lahatenin'ny mpanoratra. DH: "mba tsy hilazako zavatra manafintohina amin'i Yaveh" # Hofeheziko Ny "mifehy" dia midika hoe mihazona ny vava tsy hiteny. Eto Davida dia milaza fa tsy hiloa-bava izy raha mbola miaraka amin'ny olon-dratsy.