# Kanefa maro an'isa ireo fahavaloko ... maro Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy. # Mamaly ratsy ahy izy ireo ho amin'ny soa; Ny fihetsik'ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe famindrana vola izay nanomezan'izy ireo zava-dratsy ho solon'ireo zava-tsoa. Ny anarana "ratsy" sy "soa" dia azo ambara ho asa. DH: "manome ahy asa ratsy izy ireo ho takalon'ny asa soa nataoko ho azy ireo" # mandefa fiampangana ahy Ny fomba iampangan'ireo fahavalon'ny mpanoratra azy dia lazaina toy ny hoe izy ireo mitoraka fiampangana any aminy toy ny vato. # nanaraka izay tsara Ny mpanoratra maniry izay tsara dia lazaina toy ny hoe izy nanenjika zava-tsoa.