# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Ho an'ny mpiventy hira "Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana" # Salamo nataon'i Davida Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida. # Aminao, ry Yaveh, no hialofako Ny fankanesana any amin'i Yaveh ho fiarovana dia lazaina toy ny hoe mialoka ao aminy. DH: "Mankany aminao aho, Yaveh o, mba ho fiarovana" # meteza ho vatolampy fialofako, fiarovana mafy hamonjy ahy Ny andianteny "meteza ho vatolampy fialofako" dia fangatahana fiarovana. Ny andianteny faharoa manamafy ny voalohany. # meteza ho vatolampy fialofako Yaveh dia lazaina toy ny hoe vatolampy lehibe izay hiaro ny mpanoratra amin'ny fanafihana. DH: "tahaka ny vatolampy izay ahafahako ho voaaro" # fiarovana mafy hamonjy ahy Yaveh dia lazaina toy ny hoe manda mafy izay hiaro ny mpanoratra amin'ireo fahavalony.