# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Salamo nataon'i Davida Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida. # Yaveh no fahazavako Eto ny "hazavana" dia maneho fiainana. DH: "Yaveh no ilay fototry ny fiainako" # iza no hatahorako? Ity fanontaniana ity dia manamafy fa tsy misy izay atahoran'i Davida. DH: "tsy hatahotra na iza na iza aho" # Yaveh no fialofan'ny aiko Izany dia miresaka momba an'i Yaveh toy ny hoe toerana azon'ny olona aleha mba ho voaaro. DH: "Yaveh no ilay mihazona ahy ho voaaro" # iza no hangovitako Ity fanontaniana ity dia manamafy fa tsy misy tokony hampahatahotra an'i Davida. DH: "tsy hangovitra aho na amin'iza na amin'iza"